Ny volana Abiba no voaloham-bolana amin'ny taona
Jehovah Andriamanitra dia nanao ny volana Nisana na Abiba ho voalohany amin'ny volana rehetra. Ny volana Marsa no mifanandrify amin'izany ankehitriny.
Ao
amin'ny Eksodosy 12:2 no ahitana ny tenin'i Jehovah toy izao: “Ity
volana Abiba ity ho voaloham-bolana amin’ny taona ho anareo”.
“Ity volana Abiba ity ho voaloham-bolana amin’ny taona ho anareo”. (Eksodosy 12:2)
Nampianatra ny olona momba ny fanisana fotoana Andriamanitra. Nanomboka
teo koa dia nampianatra ny Isiraely ny amin’ny Drafitra na Planin’ny
Famonjena Izy, tamin’ny nanomezany ny fepetra rehetra momba ny
Paska, izay fototra amin’io Planina io.
- Nampianatra fanisana vaovao ny volana amin’ny taona koa Jehovah. Mifampiankina tanteraka amin’io fanisana ny volana io ny filaharan’ireo dingana fito ao amin’ny Planin’ny Famonjena, izay fantatra matetika amin’ny filaharan’ny volana.
- Izany no maha-zava-dehibe ny fahalalana marina ny fanisan'andro sy ora ary volana mba hahatomombana ny fanarahana ny planin'ny famonjena rehetra.
Maharitra mandrakizay ny Planin'ny Famonjena. Izany koa no anavaozan’i
Jehovah ny fifanekeny amintsika Isiraely ara-panahy. Mila mahafantatra
sy manaja izany fanavaozan’Andriamanitra ny fanisana ny volana amin’ny
taona izany isika, hampiorina antsika amin’ny finoana sy fanekena ary
fitandremana ny hevim-panahin’ireo diangana fito amin’ny Planin’ny
Famonjena ireo. Ary Jehovah nandidy ny fitandremana izany ho amin'ny
fotoany avy isan-taona ary ho lalàna mandrakizay izany. (Eksodosy 13:10)
Ny Alahady no andro voalohany amin'ny herinandro
Araka ny Genesisy 1, Jehovah namorona ny tany sy ny lanitra
ary ny zavatra rehetra ao aminy tao anatin’ny henemana (enina andro). Ny Alahady no andro voalohany.
Nitsahatra
tamin’ny asa famoronana Izy rehefa tonga
ny andro fahafito na Sabata. Ny Sabata dia midika hoe "mijanona tsy
miasa" na "miala sasatra". Ny Sabata no marika ahafantaran’i Jehovah ny
olony ary nodidiany hotandremana na hohamasinina izany andro izany. Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Didy Folo sy ny
Ezekiela 20:20 izany fitandremana ny andro Sabata izany.
Noho izany, dia tsy araka ny Soratra Masina ny fanaovana
ny andro Alatsinainy ho voalohany amin’ny herinandro.
Manomboka amin'ny hariva ny andro
iray, ary mifarana ny ampitso hariva maty masoandro
Tsara
homarihina fa tamin'ny andro taloha dia nisy ny kolotsaina maro any
amin'ny faritra Atsinanana izay nanomboka ny andro tamin'ny alina; ny
iray tamin'izy ireo dia Babylonianina. Noho izany, faritra maro eto an-tany no manao ny fiposahan'ny masoandro na ny misasakalina ho fiandohan'ny andro vaovao.
Ny
Baiboly nefa dia manondro ny andro iray ho vaninandro eo anelanelan'ny
takariva iray sy manaraka. Ny andro iray dia manomboka amin'ny
fiposahan'ny kintana
telo, rehefa maty ny masoandro. Noho izany dia tsy araka ny voalazan’i
Jehovah velively ny filazana fa ny
misasakalina na ny fotoana fiposahan'ny masoandro no fiandohan’ny andro iray. Azonao fantarina ny anaram-bolana ao amin'ny Baiboly sy ny andinin-tSoratra Masina misy izany. Tsindrio ity.
Nisy fiovana imbetsaka teo amin'ny fotoana sy lalàna
« Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin'izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo. » (Daniela 7:24)
« Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro. » (Daniela 7:25)
Ny
kolontsaina Romana dia nanova imbetsaka ny fanisan'andro sy ny fotoana
ary ny lalàna. Na dia nisy aza ny ezaka fanovana ny fanisam-potoana
nataon'ireo mpitondra Romana fahiny, dia hita fa tsy nahafafa tanteraka
ny filaharan'ny volana eo amin'ny kalendrie izy ireo.
Ny
fanisan'andro sy volana ao amin'ny kalendrie Gregoriana ohatra dia
mbola mametraka hatrany ny volana Septembre ho volana fahafito, ary ny
Octobre ho volana fahavalo. Izany hoe, tsy hay fafàna fa mipetraka
hatrany ny filaharana misy ireo volana tsirairay avy araka izay
nandaharan’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha azy tany ampiandohana.
Ahoana àry izany hoy ianao?
- Ny volana “septembre” dia voalaza fa volana fahasivy ao anatin’ny kalendrie Gregoriana; nefa ny fototeny hoe “Septem” (Latin) na "sept" dia midika hoe fito (7) na fahafito.
- Ny “octobre,” izay ny misy fototeny “Octo” (Latin) na "Octo" dia midika hoe valo (8) na fahavalo; nefa io no natao ho volana fahafolo amin’ny kalendrie Gregoriana.
- Ny “novembre” dia misy fototeny hoe “Novem” (Latin) na “nine” (Anglisy), izay midika hoe sivy (9) na fahasivy; nefa io no natao ho volana faha-iraika ambinifolo amin’ny kalendrie Gregoriana.
- Ny volana “Décembre” izay misy fototeny hoe “Decem” (Latin) na "deca", izay midika hoe folo (10) na fahafolo. Nefa ny Desambra no natao ho volana faha-12 amin’ny kalendrie Gregoriana.
Izany
rehetra izany dia manamafy ny fisian'ny fanovana fotoana sy lalàna
nataon'ireo mpitondra Romana fahiny; nefa izany dia tsy nahafafa tanteraka ny mariky ny fanisam-bolana voatendrin’i Jehovah tany am-piandohana.
Taona fahafiry isika izao araka calendrier Hebreo sy Jiosy?
Ny kalandrie Jiosy dia nanomboka tamin'ny amin'ny andro namoronana an'i Adama sy Eva (Andro Fahenina tamin'ny taona voalohany amin'ny Famoronana.
Ny taona iray eto dia misy arivo taona, araka ny fanisam-potoanan'i Jehovah.
« Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo. » (Nomery 14:34)« Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. » (2 Petera 3:8)
Ny taona faharoa: 1001 - 2000
Ny taona fahatelo: 2001 - 3000
Ny taona fahefatra: 3001 - 4000
Ny taona fahadimy: 4001 - 5000
Ny taona fahenina: 5001 - 6000
Ny taona iray dia misy taonjato folo: 100 x 10 = 1000. Izany hoe ny taona iray dia 1000 taona.
Araka ny kalendrie Jiosy, eo amin'ny taonjato fahavalo tamin'ny taona fahenina isika izao (2021), izany hoe taona 5781.
Ny Voaloham-bolana sy ny Planin'ny Famonjena
Ny volana Abiba no voaloham-bolana amin’ny taona ho an'ny olon'i Jehovah (Eksodosy 12:2). Nanomboka teo dia nampianatra ny Isiraely ny amin’ny Drafitra na Planin’ny Famonjena Jehovah, tamin’ny nanomezany ny fepetra rehetra momba ny Paska, izay fototra amin’io Planina io.Nampianatra
fanisana vaovao ny volana amin’ny taona koa Izy. Mifampiankina
tanteraka amin’io fanisana ny volana io no ilaharan’ireo dingana fito ao
amin’ny Planin’ny Famonjena, izay fantatra matetika amin’ny
filaharan’ny volana.
Izany
no maha-zava-dehibe ny fahalalana marina ny fanisan'andro sy ora ary
volana mba hahatomombana ny fanarahana ny planin'ny famonjena rehetra.
Toy izany koa no anavaozan’i
Jehovah ny fifanekeny amintsika Isiraely ara-panahy. Mila mahafantatra
sy manaja izany fanavaozan’Andriamanitra ny fanisana ny volana amin’ny
taona izany isika, hampiorina antsika amin’ny finoana sy fanekena ary
fitandremana ny hevim-panahin’ireo diangana fito amin’ny Planin’ny
Famonjena ireo. Ary Jehovah nandidy ny fitandremana izany ho amin'ny
fotoany avy isan-taona ary ho lalàna mandrakizay izany. (Eksodosy 13:10)
Oviana no fotoana itandremana ireo Andro Firavoravoana voatendrin’i Jehovah?